You are here: home > Vetso

INY RENIKO INY - Myh'Andry

Fa iny reniko iny na hakoraina hoe mahantra
Mitafy voro-damba
Dia aoka hazava tsara fa reny mahafinaritra
Tsy hijerevako saranga
Fa iny reniko iny, na lazaina mavomavo
Dia aoka ho tantaraiko
Fa iny tena tiako, tohanako tsy ho lavo
Tena mamiko lalaiko
Fa iny reniko iny, na inona hadisoako
Na tsia na mety atao
Dia reny tena tsotra, reniko tsy foiko
Ka tsy hitambarako aminao
Fa iny reniko iny, tsy misy mahasolo
Fa reny hafakely
Reny tia ny zanany sy mahakolokolo
Reny mamy toa tantely
Raha mbola misy soa azoko atao
ho an'iny Reniko iny
Dia ataoko izany hamaliako tsotra izao
Izay nataony ahy fahiny
Raha misy fomba hafa ho entina manaja
Sy entina misaotra
Dia atolotro ho azy, fa reny manan-kaja
Sady reny hafa loatra

Sokajy : Fiaraha-monina

Hametraka hevitra

Midira aloha