You are here: home > Vetso

Mafy - Myh'Andry

Fa mafy koa raha mafy raha ilay tena maminao
No miezaka mandrafy sy mandratra tsotr'izao
Ilay fonao tena tia sy babon'ny fitiavany
Natosany fahiny sy niloatra avy ao am-bavany

Fa mafy tena mafy raha ilay namanao fahiny
No zary indray niantsampy amin'ny olona vahiny
Fa kosa nanadino ilay sakaizany taloha
Toa tsy te hahalala akory fa dia nanidy fo

Tena mafy sy mafaitra raha toa ianao nitia
Kanefa tsy notiavina fa navelany hania
Ka miaina anaty nofin'ny tantara efa dila
Fa izy any ho any toa miavona tsy mila

Mafy tena mafy ny manoratra kanefa
Tsy hisy akory hamaky ilay vetso mitoetra
Fa navalona ho tonta na nailika ho very
Sy zary nohosena, tsy misy mba mijery

Fa mafy tena mafy ny mamoy ny olon-tiana
Satria miaina an-dranomaso, migoka fahoriana
Tsy anilan'ny malalany ka malahelo lava
Toa miaina anaty haizina lavitra mazava

Ekeko hoe tena mafy raha toa tsy rarahiana
Ilay fonao efa babo maniry mba ho tiana
Dia niaina anaty nofin'ny fiainana mihelina
Mahatsiaro hoe migoka ny ngidy tsy mba telina

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

katrynah (27/12/2019 09:51:39)

Merci d exprimer ce que je ressent mais il faut accepter la vie telle qu elle est

Hametraka hevitra

Midira aloha