You are here: home > Vetso

MALAGASY HATRAIZA? - Myh'Andry

Malagasy ianao fa saingy menatra miteny,
Tsy sahy mirehareha fa matahotra mijoro.
Dia takomana avokoa izay kely taratra eny,
Fa hatramin'ny fiteny aza hindramina daholo.

Malagasy ianao saingy dia gasy sombitsombiny,
Kolontsaim-bahiny no mbola omenao tombony.
Fiteny, fitafiana, karazam-pomba sy ireo sisa.
Tsy misy anao intsony fa vaovao avy any am-pita.

Malagasy isika, fa moa mba Malagasy hatraiza?
No dia indro efa tahafina hatramin'ny fitaiza.
Tsy tazana eto intsony ieo fomba sasantsany,
Malagasy ihany isika fa Malagasy tapatapany.

Raha te ho tena Malagasy, mijoroa  tsy tambazana
Samia manaja sy mitia ireo kolontsaina nolavaina
Dia sahia koa miteny manandratra ilay tenindrazana.
Mba ho Malagasy iray , miray fo, fanahy sy saina.

Voasoratra ny 11 Jona 2020

Hametraka hevitra

Midira aloha