NAMAKO IANAO - Myh'Andry
Azo vakiana?
Ravon-kafaliana izao ny fo anatiko any
Fa tojo anao ho namana,
Ilay hany tsy mba nananana.
Tsy nahatsapa akory ny hafanan'izany.
Kinanjo, tamin'ny andro fahanginako
Kisendrasendra monja
No indro ianao fa tonga.
Hijoro ho namana, andry hiankinako
Iza moa no nanam-po ny mbola tojo izay nirina
Fa lakalaka lahy ny tany e?
Mangidingidy anefa mamy.
Ka anaty sentosento no hitosaham-pifaliana.
Ny hanadino anao tsy ho vita, ary ataoko sanatria
Fa ny zavatra andrandraiko
Izay vita tomboka ato an-tsaiko?
Isika tsy hifanadino fa ho mpinamana doria.
"Dia ho mpisakaiza mandra-maty
........................na ho mora, na ho mafy"
Myh'Andry (10/06/2021)
Mombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 10/06/2021
Mpamangy : 381
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
HITSO-DRANO AZY AHO RahaAvelao aho ho any
VINANY ADALADALA
AN-DALANA
VONINKAZO SOA (Ho an'i Neny)
SAINGY EFA LASANAO...!
Niova izy
LAZAO IZY FA.....
HANGINA AHO!
ATAOVY FANTANY