You are here: home > Vetso

Niova izy - Myh'Andry

Azo vakiana?


Angamba, nahita tsaratsara mihoatra noho ny teto
Nahita fahasambarana tsy mba lalovan-tsento
Dia minia mamafa mora irony lasanay fahiny?
Saingy, moa atao ahoana fa safidiny izay tiany.

Ehh! Manjary mitsilopy izao ilay fonay nifangia,
Toa, nanjary donan-tsetroka ilay afon'ny fitia
Nandoro anay taloha, ilay mbola mamy tamin'iny,
Indrisy, tsapa tena tsapa fa niova izy ankehitriny.

Irony tafatafa sy tenimaminay alohan'ny hatoriana
Tsy misy intsony ireny f'efa  foana sy nangiana.
Niova izy, tsy mahatsiaro intsony irony toky sy voady
Niova nanadino, dia tsy nahalala ilay anarako sahady.


Myh'Andry
24 dec. 2021

Sokajy : Fitiavana