You are here: home > Vetso

NISY TETO - Myh'Andry

Azo vakiana?

Nisy teto hira niarahana nivetso
Nisy tononkalo niarahana niantsa
Teto nisy koa fo roa niara-nitepo
Dia nisy dinidinika, nisy tafatafa

Fa nisy teto ny hasambarana sy tsiky
Mpinamana samihafa niara-nilalao
Tsy angano tantaraina fa nisy tena nisy
Dia mbola nisy teto ny hoe izaho sy ianao

Fa mbola nisy teto ny hoe tena fihavanana
Nirina mba haharitra tsy ho levon'ny fotoana
Tsy mba nifanavaka na ory na ny manana
Fa tena nifandray sy nifampitsinjo teto foana

Oh! Tsy misy intsony izany fa lany angaha ny hira
Sa zary tontan'ny fotoana ireo tononkalo maro
Na mantsy mihitsy aza potika sy levona toa sira
No sisa  feon' ady no re manako sy mikalo

Ritra angaha ny dobo niarahana nanjono
Sa efa ringana ny ala niaraha-nialokaloka
Fa toa isika indray no zary lasa mifamono
Fa ilay fihavanana dia ravam-piainan-tsarotra

Tsy misy intsony eto hoe fitiavana madio
Fa tototry ny ankaso ilay tena fahendrena
Mantsy hono hafa ny omaly sy ny anio
F'efa sarotra sy mafy ny fiainam-pirenena

Tsy misy eto izao ny atao hoe filaminana
Fa sarotra ny fiainana, mijaly ny olombelona
Mihitsy tototry ny vola ilay tena fahamarinana
Ka miezaka daholo miady mba ho velona

Dia lasa misy eto ny ady ara-pĂ´litika
Mihitsy mifamono ny samy Malagasy
Dia ady lava foana fa tsy misy zava-bita
Fa ady ny fiainana, ary ady tena mafy

Misy eto koa zao ny mena ambanin'ny mena
Na eny an-dalam-be na anaty tokantrano
Tena misy izany fa mody odiana tsy jerena
Nefa mety handratra sy hampiditra angano

Fa tena misy eto, ary tena misy maro be
Olona tsy an'asa sy voagejam-pahantrana
Tsy manan-kialofana fa matory an-dalam-be
Mihitsy lasa dahalo fahavalom-panjakana
                                              
  hitohy

Sokajy : fananarana

Hametraka hevitra

Midira aloha