You are here: home > Vetso

NOFIKO - Myh'Andry

Azo vakiana?

NOFIKO

Any ianao ilay zazavavy mba tiako hofantaraina?
Ilay tsy mitsaha-mamangy ny nofiko isak'alina.
Ilay ventesiko mangina rehefa iny aho tsy tafandry
Hoe hitady torimaso aho fa ho avy ianao hamangy.

Any mantsy ianao, f'eto nofy ihany no ahafahana mitafa
Indraindray ianao taraiky nefa miserana dia lasa.
"Maikamaika aho lehitsy a, rahampitso za mandalo a"
Dia ianao no tsy hita, haizina no sisa navelanao hikalo.

Any izay ianao, hinoako fa salama, tomady tsy marofy
Dia mbola ho avy foana mba handravaka ilay nofy.
Tandremo ianao tsy tonga a! izaho mantsy efa zatra
Ka raha tsisy anao ny nofiko,  mandringa sy maratra.

"Any izay ianao,
Ilay tovovavy miavaka mba satriko hofantarina,
Ilay mpanaingo sy mpandrava ny nofiko isak'alina".
"Asa, mba rahovina ihany izato saiko vao ho tony
Te hahita anao mivantana fa tsy anaty nofy intsony"

"Saingy, ny havoak'izay ho ampitso toa misitery lava
Fa rahariva anaty nofy, raha mba afaka tongava


Myh'Andry (30.06.21)