You are here: home > Vetso

NOHO IALAHY - Myh'Andry

Azo vakiana?

NOHO IALAHY

Ialahy ilay tovolahy namoizany nofiny
Ilay hany noheveriny ho andry sady tokiny,
Ialahy ilay  nohekeny raha naniry ho tiaviny
Tsy nampiadrasany ela kanefa tsy nolaviny,

Ialahy ilay zazalahy  nanaovany ny voadiny,
Mihitsy noho ialahy no namotehany ny ho aviny
Fa tia tanteraka izy, babon'ialahy ny sainy sy ny fony,
Vao nekeny ialahy dia intsony tsy mba foiny

Nefa ialahy kay lolo mpiovaova voninkazo
Mpitsetsitra ny mamy, mandringana izay azo
Hay ialahy ka fandrika mba entina hampiroboka
Tsy azony hianteherana fa tena hazo boboka

Nefa tadidio fa iny ranomaso izay narotsany iny
Dia porofon'ny fitiavany, sy ho mariky ny fihafiny
Tsy ho hain'ialahy ny valiny sy izay todiny any aoriana
Ranomasom-behivavy nanantena fifaliana

Fa noho ialahy dia nilaozany ilay akanikelin-drainy
Dia mbola noho ialahy ihany no namoizany ny ainy,
Nataony ho an'ialahy ireny rehetra rehetra ireny
Fa izy izao mangina, hangina intsony tsy hiteny.

Hametraka hevitra

Midira aloha