You are here: home > Vetso

NY AFON'NY FITIAVAKO - Myh'Andry

NY AFON'NY FITIAVAKO

Miadana fihodina misosa tsy mba taitra ny minitra sy ny ora
Mitondra rotsirotsy ny safosafon-drivotra malefaka fitsoka
Ny ravina ao an'ala, mihantahanta fihetsika midola dia midola,
Manainga koa ny foko ny ainga tsy hay tohaina fa mipololotra,

Milamina fivadika ny andro sy ny volana hitambatra ho taona,
Tsy hita ho faritana ny ngidy sy mamy nifandimby sy nisesy,
Tsy tambo koa nisaina ny androm-pifaliana izay nodimbiasan-tsaona,
Namaritra ny lasa ny dindon'ireo tsiaro nandalo vetivety.

Nitety ny habakabako ireo aloky ny nofy mifono misitery,
Mandoko ny eritreritro ny ampaham-pahatsiarovana mirakitra tantara.
Na aza ireo no nisy tsy mbola nahafafa na hamono velively,
Ny afon'ny fitiavako, miredareda mafy handoro hatrany am-para.

Fa ny afon'ny fitiavako? Ilay tsy matinao vonoina fa hirehitra eny foana,
Hirehitra ho anao ao anaty fanajana tsy voafetry ny fisiana.
Mandram-pialam-pofon'aiko, tsy maty ho vonoina, tsy ho levon'ny fotoana
Fa hatrany hiredareda mba hisambaranao sy hitondra fifaliana.

Hametraka hevitra

Midira aloha