NY MARINA - Myh'Andry
Azo vakiana?
Tsy lavitra akory nefa sarotra tadiavina
Eo ambany maso fa nodian-tsy jerena,
Efa miharihary fa nohosena sy nolavina
Mody koa karohina fa tsy akory hoe ekena.
Matetika voasarona ambadiky ny tsolotra,
Sy lainga tsara lahatra ho fampandriana adrisa.
Tsy manana ny marina izay tsy mahatolotolotra
Ny tena marina mazàna dia ambany maso tsy hita.
Ny marina matetika dia sandaina sy vidiana
Hitandroana voninahitra, hamafana hadisoana
Fa ho an'ny tsy manana, ny marina hiadiana
Mihitsy habaribary saingy indrisy nohesoina.
Nefa tadidio,
Na oviana na oviana tsy ho faty raha ny marina
Azonao hosena anio fa kosa mbola hiarina,
Tsy maintsy mbola hitranga, tsy ho azonao sandaina
Ka ho hitan'ny rehetra ilay marina dradraina
Dia tsy ho azonao intsony ho kosehina ny marina.
Rehefa injay miseho, mijoro sy tafarina.
Ny marina tsy maintsy mbola hamiratra eny foana,
Tsy ho voavidy vola, tsy ho tontan'ny fotoana.
Myh'Andry (Hevitro fotsiny fa tsy voatery hitovy, 15/08/2019)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 16/08/2019
Mpamangy : 237
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOHO ILAY FITIAMALAGASY HATRAIZA?
ILAY MALALANAO TALOHA
Elle , maman.
IZANY RENY IZANY
TETO TAMIN'IZANY....
SATRIA IANAO DIA NAMAKO..
ALAHELO
TSY MISY NENINA
IRAY IZAHO SY IANAO