You are here: home > Vetso

NY ZANAKO - Myh'Andry

Azo vakiana?

Ilay reharehan'ny fiainako
Haren'ny fisainako,
Ary anton'ny fisiako
Zanako ka tiako...

Masoandron'ny marainako
Ilay ahy tsy nitarainako,
Na nampiepaka ny tanako
Fa tiako ny ahy ny zanako...

Ilay fanilon'ny aliko
Ilay tiako sy andrianiko
Hatrany mbola ho tohanako
Fa tiako raha ny zanako...

Harena mamy, sarobidy
Ilay tsy atakalo, tsy amidy.
Fa heriko sy fiadanako
Reharehako ny zanako...


Myh'Andry

Hametraka hevitra

Midira aloha