You are here: home > Vetso

Raozy feno tsilo - Myh'Andry

RAOZY FENO TSILO

Nataoko fa dia rivotra hitondra safosafo...
Noheveriko fa kalo mba hamafa ranomaso
Nantenaiko ho tsiky mba hamafa ny toloko
Niriko ho voninkazon' ny zaridainam-poko

Kinanjo rivotra mahery sy oram-batravatra
Dia hirahiran-tsaona, kalokalon'ny maratra
Senton'ny mangina anatin'ny ali-maty jiro
Ianao voninkazo ihany saingy raozy feno tsilo.

Mba rivotra ihany ianao fa mitia ny setrasetra
Dia hira ihany ianao saingy kalo mampitsetra
Hazavàna ianao kanefa mora levona sy lasa
Voninkazo ihany fa manindrona, mandratra.

Fa raozy feno tsilo manindrona ny aty
Poizina mahery mamono sy mahafaty
Hirahiran-tsaona sy kalon'ny ankaso
Rivotra masiaka manditsoka ny maso

Myh'Andry
04.03.21

Sokajy : Fitiavana