You are here: home > Vetso

SENTON'NY MANINA - Myh'Andry

Mivetso indray ny eto fa manembona ny tiana
Mikalo an'eritreritra, miventy ny anarany
Mihira samirery ny ampahan'ny tantarany
Fa lavitra malala ka mahatsiaro hoe mangina

Mivetso akia ny eto fa manembona ny any a
Manainga tononkira, mikalo fahatsiarovana
Mandinika ny lasa sy ireo efa nolalovana
Dia misaina koa ny ho avy hiaraha-mankamamy

Mamadika mijery ireo tahirintsarintsika
Mamaky koa ilay diary izay niarahana nanoratra
Misento samy irery ity foko te hiantoraka
Ngolingoly anatin'ny ririni-mangatsiaka


Myh'Andry

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha