You are here: home > Vetso

SORATY FOANA - Myh'Andry

Azo vakiana?

Etsy, mifohaza ianao ry peniko
Ndehana indray soraty
Ireo rehetra tsy voateniko.

Ireo nofy mamiko alina
Ireo fikasako lalina
Soraty dieny izao.

Eny mifohaza fa aza reraka
Mandehana re soraty a
Ho tantara iray hipetraka.

Mba mifohaza ianao soraty.
Izay fantatrao rehetra
Soraty mba tsy ho faty.

Raketo anaty diary.
Hatramin'ny alahelo
Sy ireo hafaliako omaly.

Ireo rehetra tiako
Ny ho lasa sy ny ho aviko
Soraty, hiangaviako.

Iny olona iny koa
Soraty izay anarany
Ny aminy rehetra, soraty avokoa.

Soraty koa ho azony
Ho tonga ambany masony
Fa ny foko anie ka babony e.

Izay fantatrao rehetra
Aza asiana latsaka.
Fa ny soratra mitoetra

Dia manorĂ ta ihany
Aza mety ho vizana
Fa manorĂ ta hatrany

Mandritra ny andronao
Dia soraty foana foana
Izay azonao soratana.



Myh'Andry 31/10/19
4:30 maraina

Sokajy : Malalaka

Hametraka hevitra

Midira aloha