You are here: home > Vetso

TETO TAMIN'IZANY.... - Myh'Andry



Teto tamin'izany,...
Nisy fo nitia sy nilokaloka fatratra fa ho anao tanteraka
Nisy fo nivoady ny hikolo anao hatrany fa saingy efa reraka
Nisy amboaran-kira niarahana niventy sy niaraha-nankafy
Teto tamin'izany nisy tena tia sy nanantena ny ho doria.

Teto tamin'izany,....
Nisy koa fitiavana niredareda mafy tsy nosainina ho levona
Dia nisy koa tantara voarakitra an-diary sy boky iray matevina.
Izay mba noheverina ho amboaram-pahatsiarovana mirakitra ny lasa
Teto tamin'izany, fo roa nifankatia tsy mba nisaina hoe haratra.

Saingy..., eto ankehitriny....
Misy ranomaso izay sisa tsy nilatsaka tanivom-paharavàna
Sy fo voarasarasa mivetso fahatsiarovana mahatsiaro fahabangana.
Ranomaso farany mba henti-manadino sy hamadihana ny pejy.
Eto ankehitriny, dia misy faran-tsiaro sy faran-drediredy (rediredy anao).

Fa rahampitso tahaka izao....
Eto tsy hisy intsony avelom-pahatsiarovana navelan'ny tantara,
Ianao ilay notiaviko aza nahavita ny nandao ka aoka hazava tsara
Fa hivadika ho fo vato ilay foko izay nivoady sy niloka ny ho anao.
Aza antenaina intsony izay mety ho fiverenako rahampitso tahaka izao.
Veloma sy masina ianao r'ilay nisintaka fa ny eto tsy hoe hisaona a!
Sambara an-tratrany any fa ilay olona nilaozana dia mbola hitraka foana.

Myh'Andry
12/01/2020

Hevitra mandeha

ikalamako (10/06/2020 22:37:08)

hmmm mitsoraka tsara koa zany ainga atao zany an !!!

Hametraka hevitra

Midira aloha