TSIKY - Myh'Andry
Azo vakiana?
Tsy akory raha mitsiky dia lazaina foana ho faly
Fa misy mody tsiky hanafenana ny jaly
Mody asiana tsikitsiky misoritra an-tava
Nefa anaty any vesaran'alehelo sy sento lalan-dava.
Rehefa izy mitsiky tsy akory hoe tena babo,
Ka aza akory manantena hoe lasanao ny fony.
Fa ny azy hitsikiany na tafita ianao na lavo,
Ary hitsikiany foana na tena tiany na esoiny
Iny tsikiny ny, maro misitery tsy hita hovisaina
Mety ho mari-panajana sy ho marika fitiavana.
Fa hitsikiany foana ianao na dia efa horatraina.
Misy tsikim-panekena dia misy tsikin'ny fandavana
Myh'Andry
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 17/09/2019
Mpamangy : 338
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NOHO ILAY FITIAMALAGASY HATRAIZA?
ILAY MALALANAO TALOHA
Elle , maman.
IZANY RENY IZANY
TETO TAMIN'IZANY....
SATRIA IANAO DIA NAMAKO..
ALAHELO
TSY MISY NENINA
IRAY IZAHO SY IANAO