TSY MISY NENINA - Myh'Andry
Ry voro-nandalo namangy ny nofiko.
Ny eto alahelo mameno ny tany.
Ny dia nefa zory fa kosa ny rofiko
Fery ho maina sy ho sitrana ihany.
Ka aza manahy na misaina ny amiko.
Fa ianao tsy ahy akory fa olo-nindramiko.
Ka veloma masina ry olo-nisitaka,
Ny teto nanaja f'ianao no namitaka.
Raha izay alaheloko, hiserana ihany.
Ho taom-pifaliana no valin-tomany e!
Koa aza mihevitra ny hito-doha fa...
Ny eto nateraka ho be hambom-po
F'izay ranomaso tsy ritrako omaly?
Hinoko ho fanaisotra sy ho odin'ny jaly.
Veloma masina ka mirary soa.
Mangina foana ny eto na marary fo.
Ka ny zava-bita tsy asiam-panenena.
Fa lala-nandratra iny tsy hiverenana.
Ny foko eto tony na dia noratraina.
Dia hatraka ny loha na aza marary ny aina.
Myh'Andry 04/11/19
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Myh'Andry

Nampiditra : MyhAndry
Daty : 05/11/2019
Mpamangy : 281
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOHO ILAY FITIAMALAGASY HATRAIZA?
ILAY MALALANAO TALOHA
Elle , maman.
IZANY RENY IZANY
TETO TAMIN'IZANY....
SATRIA IANAO DIA NAMAKO..
ALAHELO
IRAY IZAHO SY IANAO
SORATY FOANA