You are here: home > Vetso

VAVAKY NY TIA - Myh'Andry

Azo vakiana?

VAVAKY NY TIA

Andriamanitra ô!
Raha sanatria tsy anjarany iny miaraka aminy iny,
Dia...avilio ny sainy mba hitopy hitodika amiko
Hiangaro kely mihitsy ilay tia tsy mety ho tiany,
Efa ela nanantena ilay tiako sady mamiko.

Andramanitra ô!
Raha sanatria ho rava ny tantaran'izy roa
Dia...tatero anaty sainy fa eto misy foana.
Fitiavana iray tena vokatry ny fo....
Voalahatra ho azy sy tsy ho ravan'ny fotoana.

Andriamanitra ô!
Raha sanatria izy iny ka fitahin'ny malalany,
Dia...kasio ny fony hionona, tefeo ny sainy ho tony.
Fa mbola miandry hatreto ilay sinoritrao ho anjarany.
Ilay vonona ny hanaja sy tsy handositra azy intsony.

Andriamanitra ô!
Raha tena iny anefa no voalahatrao ho vadiny
Dia...hangina ny fitiavako, hononiko ny saiko.
Ataovy tonga an-tanany izay zavatra tadiaviny,
Fa izay mahasambatra azy no tena andrandraiko.

Myh'Andry (22/01/2020)