ZATRA (Myh'Andry)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zatra nisy anao ny takarivam-pifaliako.Zatra nisy anao nitafa talohan'ny hatoriako!
Ka sendra tsy hita ianao, ahoana no hiafarany?
Hatramin'ny nofiko aza, nanjary toa tsy mamy.
Zatra anao tanteraka izay rehetra mety ho amiko.
Zatra misy anao mandoko ny habaky ny lanitro
Ka raha toa ilaozanao, dia fahanginana no sisa
No hamaly izay mba ho hakon'ny tafasiritsika.
Fa zatra misy anao izay rehetra mba vinaniko,
Eny, zatra koa ny foko fa babonao ho'aho ny amiko
Myh'Andry
17 dec 2022
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/myhandry/zatra