Ilay tovovavy Misitery - Mysento
Azo vakiana?
Ilay tovovavy Misitery
Ho sahinao va reh,
ny handratra ity foko
'zay manjohy ,mitady anao
anaty ny alina toloko
Niezaka aho ny hamatatra
ny tena momba anao!
saingy tsy izany aloha
ny mahamaika ahy izao!
fa ny handre ny feonao,
sy 'lay tsiky hafakely
manangoly ny fanahiko!
Ireny sangisangintsika,an-tsoratsoratra ireny
dia ho sanatria va reh,ho rombahinao irery!
ny foko,ny foko,midobodoboka tsy miato
mila anao handray,tena feno ilay fitia,
Izay natosako ho anao irery
'ry 'lay tovovavy misitery
vonjeo moa,fa tena mitalaho,
aiza ilaozanao reh aho,
fa mbola mamy be miitsy ilay fitia
indrisy!ny alahelo mivangongo
ny masoko efa bongo,
tsy sahiko nakipy,ndrao
mba hoavy ianao!
hamonjy 'lay fotoanantsika!!!!!
Hevitra mandeha
iaboba (30/07/2009 09:46:37)
ka zay no mahatonga azy oe MYSENTO hi hi hi
endrika01 (31/07/2009 05:47:32)
Mba mijaly kosa enao ry tovolahy Mistery!
Mysento (01/08/2009 03:47:13)
endrika01 (02/08/2009 07:29:35)
Raha mampijaly anao ny fifanojona
taminy,hadino izany,mbola lavitra ny lalana.
endrika01 (02/08/2009 09:59:00)
hadino izany, etsy ambony >>>>>hadinoy izany!
Mysento (02/08/2009 11:21:31)
Crionlas (03/08/2009 12:28:14)
So d vaza mod miad kos ar n'anareo?
Mysento (09/08/2009 13:38:30)
crionlas> Gasy ,ko ,mody miady ka.
endrika01 (17/08/2009 06:54:10)
Soa ihany i endrika fa tsy misitery,fa raha tsy izany,saika hanontany tena ihany we,sao mba izaho ilay tovovavy ...hi hi hi
Mysento (17/08/2009 13:28:43)
Mysento (17/08/2009 13:29:01)
TohinyMombamomba
Mpanoratra : Mysento
Nampiditra : MysentoDaty : 26/07/2009
Mpamangy : 1778
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
PROGRESMIKISANA MAKATY
HAFANANA
RES- TORY
Ton Depart
Tu sais l'amour