AMBOHITSAINA (Ankatso) (N'Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Firy taona moa izay, no niakaranay ety Ankatso?
firy taona mamy, mangidy sy matsatso
miakatra isan'andro mba handranto fahalalàna
Dia mioty fahendrena, fahakiviana sy hadalàna

Firy taona moa izay, nefa mbola ety ihany?
Ny hay tsy mety ampy, ny fotoana mihalàny
miakatra isan'andro, hampitombo fahalalàna
Dia mioty zotom-po, fahanterana, sy harerahana

Ny namanay tsy nankety, efa manomboka miasa
Ny anay ny volo fotsy sy manomboka ho lasa
nefa indray hivoaka avy eo, rehefa antitra ny tena
tsy vady, tsy asa hita, na mahita zara ekena

firy taona moa izany no tokony hianarana?
fa toa isan'andro, isan'andro,tsy misy fitsaharana
mianatra no tanjona, fa tsy vola ho karama
sy saina mihamatsilo, fa tsy vatana salama

ny sasany milaza fa mora ny fianarana eny
sarotra ny miasa anefa, raha mora kosa ny miteny
ny zanaka vahoaka, tsy zanaka maranitra
mamerin-taona, na voaroaka, voaozona ho antitra

1987
--------
Rohy:
870 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011