LOHATAONA (N'Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"....toa hisy azy fatratra
ny lohataona vao misantatra
Any ambanivohitra any...!" (DOX)


Ny lohataona toy izao no mahafinaritra ahy indrindra
Ahitàko ny voary, tsara endrika, mirindra
Aty ambanivohitray.
Ny maitso vao mitsiry, tarafan'andro vao misandratra
Ny setroka misary zavona, toa aloka tsy fantatra,
Ny fofon'ny mololo may.

Ny voronkely somariaka, mifidy toerana ho akany
Ny fanjam-bony saro-kenatra, nefa manitra aok'izany
Loko meva, maromaro
Ny lani-manga,feno toky, fa ny andro anio ho tsara
Ny tany tena midadasika, ambodilanitra fiafara
Ny andiam-borona mandalo

Lohataona feno ravaka, misariaka, falifaly
Lohataonan-tokantrano sy fitia mifamaly,...
Lohataona e!
lohataona tsara loko, fifohazan'ny tontolo
Lohataona hatrany am-poko, ravo sady velom-bolo
Afa-tsaona

1988
--------
Rohy:
1131 2
Mpakafy: hery - zokinantitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143