Mamiko - N'Aina
Azo vakiana?
ity, eto no ambarako
ny hafaliana sy hasambarako
manonona ny anaranao
fa ilay foko izao nifoha
nikosoka ireo taloha
fo madio sy vaovao
isaorako ny Zanahary
nmpiseho sy nampihary
nanoro ahy hahita anao
ianao famenoko sy silako
tokiko ho eo anilako
tiako fa tsy kilalao
isaorako ny fihaviana
Razako sy anao ry Tiana
Samy avy any, izaho sy ianao
Dia ny ho avy tena inoako
hameno lafatra ny foko
izaho mitoetra, ianao tsy handao
27/02/18
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : N'Aina
Nampiditra : zokinantitraDaty : 27/02/2018
Mpamangy : 1057
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Rahavavin'ny fanahikoTONGA LAFATRA
Hymne et hommage ....(Ao...)
Hanina zava-tsy fantatra
Takarivan'Ivola
LOHATAONA
TIAKO IANAO RAMALAGASY
AMBOHITSAINA (Ankatso)
NY TENY GASIKO
Namako sy RAHALAHIKO