NANKAIZA NY TANTELIKO TETO? (N'Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"ireo efa zatra, mivarotra lova,
ka namela ratra, hivavao mba hiova" (MAHALEO)



Nisy ilay tena mamy, tantely vokatry ny ala
Napetraka tetoana, natoky, tsy nisalasala
Kinanjo vitsika mpisompatra, nangorona azy sy nanala
Laniny daholo re, lazainy fa haren'adala

Fa tsy azo atokisana, tsy atao tapaka sy namana
be ny tia tena, sy ory hava-manana

Ny tany ankehitriny angamba, tsy mataho-janahary
raha latsaka poketra ianao, dia misy maka miharihary
Tsy olom-banona hiantohana, fa mpamono ny marary
Tsy azo ompiana an-trano, fa mpangalatra sy kary

Vitsik'ambo , vitsika be ambo, te-hihoatra ny hafa
taperiny tsy misy ny eo, lasa sola toa sahafa

Entiny ampitan-drano, ny vokatra sy tombon-tsoa
Tsy valala hifanapahana, na hanin-kozaraina roa
Rehefa voky angamba izy, dia hoe ianao faly koa
Na tsy heveriny ianao, fa ny kibony ihany aloha

Izay mbola manantena, dia efa tena diso paika
Izy anie no tonga aloha e, izy efa maikamaika

Aoka tsy handaniana rora, sy tsy handreraham-bazana
Ny tsy mety ataony ange, ny ao ambony ao mitazana
samy tompom-pirenena, miray razana sy fasana
Mbola ho lasa vovoka izy, ho tonga izany, na tsy andrasana

Na tsy tratra enjehina aza, tsy maintsy hiverina aman-tany
Ka ny ratsy atao anio, hitoetra foana, hanody ihany

Fa...nankaiza ny tanteliko teto?
--------
Rohy:
1093 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102