NY TENY GASIKO (N'Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tokony hangina aho sy hijanona amin'izay
tsy efa be no vita, fa satria aho tsy mahay
tsy miteny gasy tsara
raha ny marina no ambara!

fa ny voambolana ampiasaiko, irony teny mahazàtra
na foronin-tsotra izao, tsy mihaja, lavi-pàtra
hafa ihany ny taloha
ilay teny gasy, teny soa

ary indrindra koa anefa, zava-misy tsy azo afeniko
tsy vitan'ny tsy haiko, fa tsy tiako koa ny teniko
ka tenim-pirenena hafa
indray no entiko mitàfa

Fa mbola malagasy aho, Malagasy ny anarako
Tsy hadihadiana akory: malagasy ny tantarako
ny rakibolana efa misy
dia mitady hafa indrisy

ilay teniko voalohany Fony izaho nibadabada
niainako ny mamy, niantsoana Neny sy I Dada
raha avelako ho lefy
dia izaho no olon-dresy
--------
Rohy:
1110 1
Mpakafy: zokinantitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112