Rahavavin'ny fanahiko - N'Aina
Azo vakiana?
Notadiaviko hatrizay
Fa tsy nampoiziko ho hitako
Ianao rahavavin'ny fanahiko
Ianao famenoko sy silako
Ka averiko eto indray:
Ianao irery no tiaviko
Ny fiainako ilaozanao
Dia lasa haolo, babangoana
Marary hatrany anaty faka
Ny fofon'aiko toa handao
ny foko gina, zary moana
Vesaran'entana tsy zaka
Aiko ianao sy ilaiko
Hameno ny androko rehetra
Fitiavako efa midorehitra
No anao ry Tiako sy Lalaiko
Ka fianianako iray:
Tiako ianao mandrakizay
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : N'Aina
Nampiditra : zokinantitraDaty : 25/03/2018
Mpamangy : 769
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TONGA LAFATRAHymne et hommage ....(Ao...)
Mamiko
Hanina zava-tsy fantatra
Takarivan'Ivola
LOHATAONA
TIAKO IANAO RAMALAGASY
AMBOHITSAINA (Ankatso)
NY TENY GASIKO
Namako sy RAHALAHIKO