TIAKO IANAO RAMALAGASY (N'Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO RAMALAGASY

Ho anao ity hira ity, ry tao-bolo mahavariana
satry entin'olon-tiana
randra-kely, taly hosy, ody moka, tana ivoho
mety diso ny filàza, aza tsiniana
F'efa adino ny taloha...

ho anao ity kalo ity, ry meva samy fitafiana
satry handravak'olon-tiana
lamba asampina amin'ny soroka, sembo, landy, lambahoany
Malabary sy ny penjy, sy mahavariana
endrika amin'ny masonjoany

Ianao ilay mitàna ny mbola maha-malagasy
no antsoiko hoe olon-tiana
tsara tefy sady kanto, tena mendrika hajaina
tsy nanadino, na nanary ny nihaviana
mbola tena mihasihasy
ianao no hiraiko
fa zana-dreniko sy raiko
Ankalazaina
--------
Rohy:
2027 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106