---raha... (Nali)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA.....
Raha niova loko indray izany volon-danitray
Dia ho faty ve ny jirony?
F'ilay jiro izy nitondra izany hasambaranay
Diva ho lany koa ny ilony...

Raha nanerika ny andro teo an-tokotaninay
Tsara izany,tena lafatra
Ity izaho izay manirery ambon'ny farafaranay
Izany angamba no efa lahatra

Raha taraina no nameno ny an-droa tokom-piananay
Toa tsy ahoany izany
F'ilay fitia izay mba hany sisa nofinofinay
Ritra.......efa lany!

20 Juin 2005
18 h 20 mn
Nali
Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy nahazo alalana avy amin'ny mpanoratra
OMDA
--------
Rohy:
Sokajy : fisarahana - Fitiavana
1333 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112