Aleo ho Faranana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo ho faranana

Eny re rahavako
Tsy maintsy afoiko ny fitiavako
Fa ela no niafiana
Teo anilanao ry tiana

Izay fijaliana loatra
Fahoriana tafahoatra
Izany no niainako
Nahatonga ny fisainako

Ka aza tsiny indrindra
Raha toa ka aho ifindra
Fa tsy zakako lanjaina
Isan'andro izao aho latsaina
Tsy nohenoina raha nitaraina
Fa voadaka sy kendaina

Azafady aho malala a
Raha toa manao izao
Eny, izaho no adala
Tsy mahazaka ka lao

Ny androm-piainako
Teo anilanao
Hirifiry lava izao
Ka ho rariny ve aho
Raha toa ka lao

Izao e, Ela loatra izany
Fa aleo ho faranana
Tonga ny sampanana

Misaraka ho roa
Ny lalan-tsika roa
Toy izany ny fitiavana
Koa veloma ianao rahavana

Ny anarako hadinoy
Ny tantarako vonoy
Ireo sary doroy
Ilay fitiavako afoy
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fiononana - Fitiavana
1226 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166