Ampy izay (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy izay

Ampy izay, Izay sivy taona izay
Aoka isika mba ho tonga saina amin'izay
Tsy tokony hisy intsony ny rĂ  mandriaka
Tsy tokony hisy intsony ny fampiadiana an-tsika

Ampy izay, Fa mila an-tsika hiavana
Fa mahantra loatra anie ity tanindrazana
Fa isika variana miady sy mifandrabiraby
Hany ka ny firenena no mivarina an-kady

Ampy izay, Aoka isika mba hiray hina
Aoka atsahatra atreo ny fampiadiana
Miangavy an-tsika rehetra mba hifankatia
Mba tena hijery an'ity firenen-tsika ity

Ampy izay, Ny fivarotana an-tsokosoko
Atsaharo atreo ny fivoizana adim-poko
Isika rehetra anie dia malagasy iray e
Tsy hiova ho vazaha akory mandrakizay e

Ampy izay, Ny nofinofy tsy ho tanteraka
Tsy aleo ve ny ho vita ihany no hapetraka
Efa io ny MADAGASIKARA AM-PERINASA
Sy ilay MANIFESTO misy foto-drafitr'asa

Ampy izay, Fa ny vahaolana tsara indrindra
Dia ny firaisan-kina an-tsika malagasy
Dia ilay MANIFESTO no tsara firindra
Azo tanerahina tsara Fa tsy poakaty

Ampy izay,Fa aza atao sorona ny tenanao
Aza misalasala intsony, Dinio izay atao
Raha tianao ho tanteraka izay hiriana
Aza misalasala ianao fa Dada fidiana

Efa io ilay laharana dimy amby roapolo
Efa vonona izy hampandroso ny tontolo
Koa aza mihafahafa ary isika rehetra e
Aza matahotra fa izy tsy mba mpanavaka
Satria olon'Andriamanitra sady mpivavaka
--------
Rohy:
1269 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127