Asara-manitra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asara-manitra

tonga ity ny asara-manitra
ka ho samy hotahin'Andriamanitra
arabaina isika nahatratra
ho feno hafaliana tsy ombi-tratra

tonga ity ny taom-baovao
noho ny fitahian'ilay Ray anao
ka nahatratra izany andro izany
ka mifalia fa aza tomany

tonga ity ilay andro voalohany
andro iray izay iandohany
ny volan'ny janoary
koa ho fitahian'ilay Nahary

halevony amin'ny faran'ny taona
izay lasa ratsy rehetra
ka ho tsara sy hifam-pitaona
amin'ny tsara tsy misy fetra
--------
Rohy:
993 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126