Dinam-pitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dinam-pitiavana

Tsarovy ry tiako,
Manomboka izao
Ianao tsy ariako,
Satria ahy ianao
Ka raha sanatria,
Misy fisarahana
Ny dinam-pitia,
Tsy azo sarahina

Aina re no fetra,
Ny fitiavako anao
Izaho dia hitoetra,
Irery ho anao
Raha misy milaza,
Amin'izany aminao
Dia kobaka am-bava,
Fotsiny tsotr'izao
Satria re ny ahy,
Arahim-porofo
Ary milaza no sahy,
Fa vonon-kiroso
Eny fa hifofo ny aiko,
Koa indro fa lazaiko
Ilay teny iray mafonja,
Na dia hidirako am-ponja
Dia hitia sy hanaja,
Hipetraka ho anao
Tsy fitiavan-jaza,
Ary tsy hoe kilalao
Fa sahy mijoro,
Ho vato fehizoro

Andry sy toky ifinkirana,
Fototra tsara fiainga
Tsy angady mangirana,
Ka hoe pamadika bainga
Fa siny tokam-po,
Dia rano izao ihany
Tsy manam-paharoa,
Tsy roa aman-tany
Ny teniko dia matokia,
Fa tsisy raraka an-tany
Toy ny trondro anaty farihy,
Tsy ho velon'izay tomany
Ka matokia ny fitiavako,
Anao irery aho rahavako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
6196 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115