Efa ahy ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ahy ianao

Njaka,Rova,Finaritra,Ravaka,Mahery

Mahery: Toa tsy maita tory mihintsy ary aho izany. Any amin'ilay tovovavy iny foana ny saiko,Toa mba nanaitra ny foko iny tovovavy iny,nanjary lasa tia azy tampoka teo aho,tsy andriko izany izay ahitana azy indray, satriko foana handinika azy,ary mba amin'ny firy ary izao e,ho ay efa amin'ny 2ora maraina kanefa tsy nisy na dia tori-maso kely aza mba azoko; Aleo rangaha matory fa maika hianatra indray rahampitso e,aleo miezaka maka tory

Ravaka: Ary mba iza koa ary iny tovolahy teo iny e, toa mba tsara ihany ny fijeriko azy koa, Fa ity no nahampihomehy ahy; iny izy ilay variana mandinika ahy tsara iny no nisy mpangalatra nenjehin'ny olona tampoka avy any anona any dia nenjera no ho ny fahatairana izy, Nalahelo azy indray aho no ho ny aveo. Fa nahoana tokoa? Fa nahoana moa izany aho no nalahelo azy? Tsy fantatro, an an an ka
Aleo hatory ka, olona toy ny olona rehetra izy e.

Rova: Mahery a, Mifohaza fa angaha ialahy tsy mianatra? Maheryii, mifohaza hoy aho a, efa amin'ny 6ora sasany anie izao e, f'angaha ialahy io tsy mianatra?
Mahery: Ho ay, maty aho, Tara aho, miditra amin'ny fito aho
Rova: efa masako ao ny varin'ialahy e,izay fa andeha aho fa miandry ahy ny namako
Mahery: Eny akia bavy a

Mahery: ary mba iza koa anefa izany naman-dRova izany e, aleo hoe jereko avy eto am-baravan-kely eto, ah? Ho ay, fa tsy iny ve ilay tovovavy hitako tary?, tsy dia tazako koa ny tarehiny teo fa nisompirana fotsiny no nahatazanako azy, tena iny rangaha ilay sipa hitako tary a, ary naman'ny Rova izany iny raha izany; aleo hoe mody anontaniako Rova rehefa tonga eo e, Izay mihintsy e
Ho ay, Variana teto aho nefa efa amin'ny fito latsaka fahefany sahady izao, aleo miomana haingana a

Rova: mialatsiny akia izy roa vavy fa taraiky kely aho dia lasa niandry ela teto ianareo a,
Ravaka: Tsy maninona akia, ndry koa.
Finaritra: Hita kia koa, Fa inona aloha no nahataraiky an'indry tao e? Sa alina be vao nody omaly niaraka tamin'ny Njaka? dia hoe reraka be ka tsy nahatsiaro tena nifoha maraina intsony?
Ravaka: Ieny marina akia
Rova: indry ity kia ka, Tsy izany akia fa namoha an'i zokinay izaho dia sarotra fohazina be tahaka inona izy a,izay no antony f'izaho ary efa tamin'ny firy no nifoha koa
Finaritra sy Ravaka: ay ve e

Rova: Ie, izany ho aho eo ihany fa vita ve aloha ny dévoir-nareo?
Ravaka: dévoir iny koa akia izany
Rova: Dévoir physique e
Finaritra: Ho ay, Tena tsy tadidiko marina akia iny, maty aho Jesôsy
Ravaka: Fa angaha moa manana dévoir isika?
Rova: ie, fa angaha indry tsy nandika e?
Ravaka:ie, tsy aiko izany? Oviana izany e?
Finaritra: omaly akia, ay kay moa indry tsy nianatra omaly
Rova: Ay tokoa marina
Ravaka: Izaho mantsy gaga koa

Njaka: Fa aiza foana ary i Rova? Efa amin'ny firy ve izao rangaha mbola tsy hita ihany, Avelan'ny bandy eo ianao ry Rova fa ataovy ihany ary, sady izaho koa izany toa efa leoleo anao izany, Jereo rangaha koa efa mahery atsasakadiny ny amin'ny 12ora mbola tsy hita ihany; ny bandy izany efa ramaka be, tsss letie

Rova: Ho tezitra indray izao i Njaka , izao ary ity mbola tsy mirava akory nefa efa tamin'ny 12ora ny fotoana anay, ity mpampianatra ity koa moa tsy manaiky mihintsy na dia efa tapitra aza ny ora. Mialatsiny leitsy aloha ry Njaka fa ampiandrasiko kely ao aloha ialahy a.

Mahery: Ela be koa ry Rova izany vao mirava ka, efa amin'ny 1ora sasany anefa izao, aleo rangaha andrasiko eto ambaravaran-kely eto a, mino aho mantsy fa hanatitra azy eo ireny namany ireny. Mba miandry an'i paoly lesy aloha ialahy ry mahery a, tsy maintsy hoe izay aloha e

Rova: Izay aloha akia ry izy roa vavy fa any an-trano mihaona a
Ravaka sy finaritra: ok akia
Rova: bonjour chérie, dia suis désô akia fa ilay mpampianatra anay tsy mamela mody raha tsy mahadika lesona a,kouny ah
Njaka: izay ve rangaha ampendrasina ela be tahaka inona, raha tsy indry aloha efa lasa aho e,marina e
Rova: Désô moa akia
Dia ho aiza izany izao isika
Njaka: aiza no tia an'indry?
Rova: Aleo mba hafa indray fa efa mankaleo be ilay isan'andro
Njaka: Dia aiza anefa?
Rova: Aleo lesy any imerinkasinina dia mividy goûter ialahy ho an-tsika any, kouny a
Njaka: Ok ar e
Rova: melci chérie, Tiako be ialahy
Njaka: ndao ary hanainga e

Mahery: Fa aiza foana ary? Marina e
Tsy maintsy rahampitso indray ve vao hahita an'iny tovovavy iny?an an ka, aleo rangaha tsenaina any sitrany ay koa mba mitsena an'i Rova e,
Aleo hiomana dia hanainga e
Sao tara eto ka lasan-dry zalahy eo iny

Mahery: Fa tsy ireto ve ilay sipa naman'i Rova e,
Aleo aloha tsy tonga dia miseho fa mody miafina kely ato aloha, tena izy roa vavy tamin'ny maraina ireto,iny izao ilay tovovavy hitako tary e
Ho ay izany hatsaran-tarehiny marina, toy ireny anjely tsy mitian-tany ireny, Ny fidoladolany ny famindrany tena kanto lafatra e, toa menatra indray aho ny hiresaka aminy ka, aleo rangaha miandry an'i Rova dia any an-trano resahako aminy ah,
ary aiza marina i Rova?

Mbola hitohy...
--------
Rohy:
1759 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121