Facebook sy internet (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Facebook sy internet

efa enjana loatra
efa diso tafahoatra
ireto ankizy amin'izao
izay mirongatra manao
facebook sy internet
izay mora hainy, vetivety

na zaza vao firy taona
dia efa mahay azy
ny tanora no nitaona
azy ireo, hahay sahady
dia resahiny ao avokoa
na tsara io na ratsy
na zavatra tsy mahasoa
na tsy fantany aza mantsy

toa lasa asa fivarotana
ny ao anatin'ny internet
izay mandeha sy misokatra
ka mahalafo vetivety
fa varotina ao daholo
finday,moto,lokom-bolo...

lasa asa fialam-boly
hamokarana ireo voly
misy soa azo aminy
ny ratsy koa etsy andaniny
dia mitambatra ao tokoa
ny ratsy, ny tsara, ny soa

misy anefa ireo misandoka
ka mandrebireby ny saina
raha tratrany dia maty antoka
ary koa miferin'aina
tsy lahy io, tsy vavy
fa manao azy avokoa
misy aza ireo efa manavy
amin'io, sy marary an-doha

izay no mety hitranga ao
raha toa ianao mba hanao
io facebook sy internet
mampisaraka vetivety
na mpifankatia, na mpivady
izay manao azy, mbetika miady
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Ady - Namana - Fitiavana
1068 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115