Fahatsiarovana tany ankazobe tamin'ny 27/08/16 (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tany ankazobe

tantara iray tena nisy
izao soratoko eto izao
izaho nanatry maso ny zava-nisy
sy niaradia tao

saika handeha ho any
mahanjanga hanao vakansy
dia mba niakatra tsara ny ambiansy

raha vao niainga taty
dia mba falifaly ery
mihirahira no sady mandihy

ka hiditra ankazobe
dia mba nandeha mora
midikidina fiolanambe
izay midola dia midola

ka nisy kamiao iray
izay nandeha moramora
dia mba nosongonanay
izy ilay midoladola

dia nandeha teny fotoana
ka nisy fiara iray
izay nisongona ny anay
ka nandeha mafy koa izy
nitebiteby ny ankizy

kinanjo niodona fiolanana
dia tsy voafehy intsony
koa tsy nanaraka ny lalana
fa niodona dia nidona

dia nivady ny fiara
izaho tsy tao anefa
fa tany anaty fiara iray
ka izahay tsy nanampo
hoe izy ireo ity voa

ka may ny anao lahy
koa nivoaka tsy nahy
tsy nijery izay fiara
fa hamonjy ilay malala
satria izy tao anatiny
ny mijanona tsy andriny

dia navoakako tao izy
no nisaotra an'Andriamanitra aho
fa tsy naninona ny ankizy
fa i dada no voa nitalaho

ny tongony naratra mafy
nandeha rĂ  marary tsy ho tanty
dia nitady fanafody izahay
hanasitranana ny tongotry dadanay

ilay fiara potipotika
ny fitaratra dia rotika
dia niverin-dalana tsy satry
ny saiko dia efa ratsy

dia niverina nody
notarisina ilay fiara
koa nivavaka mba ho tody
any antananarivo isika ry malala

dia nandeha teny ny fotoana
dia nizara roa ny lalana
hoe any antrano isika mihaona
fa izahay ialoha lalana

dia tody soamantra ary
ka niditry ny trano
ny andro efa maizina
ny olona efa matory
isika ity ory

ka ny fandriana no niandry
hoe tafandrimandry
rahampitso isika miresaka
fa ny tena ity efa reraka

dia nifoha ny maraina
ka nisy ary nahita
ka nanontany sy nitaraina
fa naninona ianareo
toa malahelo nitoreo
ka namaly izahay hoe
voan'ny accident be

tsy nisy aloha
ny aina nafoy
fa ny fantray koa
dia iny lalana iny
no misy lolo
mandray vahiny
--------
Rohy:
Sokajy : Ady - Namana
735 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202