Fasana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fasana

fonenan'ny maty
mirindrana vato
dongo-tany kely
lavahin'ny angely

misy vato fijaliana
izay mangina dia mangina
voadidina dongo-tany
dia fasana izany

hitoeran'ny avelo
hitoeran'ny ambiroa
izay manelohelo
mampatahotra tokoa

lavitry ny tanĂ na
tsy mahatamana
fa mitokatokana irery
tsy maha te hijery

varavaram-bato
misy tsangam-bato
ao ambadiky ny havoana
mipetrapetra-poana

izay mitodika mianatsimo
ny lohan'ny ilay fasana
hanirian'ny tsilo
sy misy lavadavaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
820 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121