Fitia fahazaza (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia fahazaza

toa tsaroako ery
isika roa nilalao
izay mbola tsy nitia
fa mpinamana amin'izao

kanefa taty aoriana
ilay mpinamana taloha
ka nivadika ho olon-tiana
sy fitiavan'olon-droa

izay nitsiry tao anaty
sy voamboraka tsy nahy
asesik'ilay fitia mantsy
ka tsy matahotra fa sahy

mbola zaza tokoa tamin'ireny
izay fitia madio niarahana
ka nifampatoky sy niteny
fa tsy hisy fisarahana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
663 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161