You are here: home > Vetso

hamafiso ny Hery - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Hamafiso ny Hery

Hamafiso ny Hery, Ry zanak'i Dada
Ny firaisank-kina, Tandrovy mialoha
Isika Mpanangana, Fa tsy mpandrava
Ataovy an-tsaina, Hoe Dada no filoha

Hamafiso ny Hery, Ry zanak'i Dada
Entano ny olona, Mba ho tonga saina
Mbola maro tokoa, Ireo no mpandrava
Koa Misahia mijoro, Fa aza malaina

Hamafiso ny Hery, Ry zanak'i Dada
Miombona fitia, Mitambara finoana

Sokajy : Tanindrazana

Hametraka hevitra

Midira aloha