Hitia anao mangina (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitia anao mangina

Ravaka a, Tiako ianao ry Ravaka a
Tiako ho Ravaky ny tokan-tranoko
Isan'andro aho akia dia mivavaka
Mba ho andronao koa ny androko

Rija a, Azafady ry Rija, Mifona aho
Efa fantatrao aho fa manam-bady
Tsy hoe tsy tiako akory anao
Fa any an-kafa re mba mitady

Ravaka a, Tiako loatra anie ianao e
Ataoko ahoana moa ny hiaina
Raha toa ka tsy eo anilanao aho
Angamba very, Sy adala koa ny saina

Rija a, Mba miangavy raha azo atao
Efa manam-bady anie aho, efa fantatrao
Koa mitoto koba hatavy e, Mandehana
Ny vehivavy anie ry Rija mameno tanana

Ravaka a, Dia tsy tsapanao mihitsy ve
Sa mody fanina, mody tsy mandre
Izaho ange ho aho akia tena haka vady
Tsy kilalao sanatria na hoe vazivazy e

Rija a, Aiko tsara izany fa ataoko moa
Ianao ity tafara fa i Njato no tonga aloha
Koa miala tsiny aho fa tsy hamadika azy
Ianao tsy hilalao, Ny azy koa tsy vazivazy

Ravaka a, Inona ary no ataoko hoy ianao e
Ny foko tsy manaiky, Tsy mety mitony
Fa mibosesika foana ny ho tiavinao
Ny ao anatiko ao tsy hitanao fa tena ory

Rija a, Fa ianao ve tsy hay tenenina e
Fa averina im-piry ary vao ho azonao e
Efa manam-bady aho tianao hiverimberina
Amin'ny izay vao tsy hikaoty ahy ianao

Ravaka a, Mahery loatra izato teninao
Saingy raha izay no sitrakao inona moa
Tsy maninona ry Ravaka fa asakasakao
Na handa tsy handray an'ity siny tokam-po

Rija a, Toa miseho may vava ianao
Tsarovy fa ny vadiko anie ry Rija
Dia miasa ao amin'ny lalana e
Sady be karama no mpiasam-panjakana

Ravaka a, Eny ary re e, Aleo aho hangina
Hananareo tokoa ny vola dia faly ianao
Tsy maninona raha toa ka fijaliana
No hany mba setrim-pitiavako avy aminao

Rija a, Ary mandehana amin'izay ianao any
Sao dia tratra ny vadiko eo ka hanahirana
Ny fanadalanao ahy atsaharo avy hatrany
Fa ny mpanana tsy natao ho any sahirana

Ravaka a, Ieny ary e, Veloma ary ianao e
Mandrakizay ve sa mandram-pahoviana?
Eny e, Saingy tsy ataoko ho fantatrao
Fa ny foko dia hitia anao mangina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3213 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113