Ho anao irery (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao irery

Ny antom-pisiako eto an-tany
Dia ny hitia sy ho tiavinao ihany
Fa raha toa ka tsy izany velively
Dia naleoko ihany tokatokan-drery
Fa ireo androko sisa any aoriana
Dia nataokako ho anao ry tiana
Eny, Ho anao irery tsy misy fetra
Ny aiko, ny foko, ny fitiavako rehetra
Fa ianao ilay safidin'ny foko kely
Ka tsy hivadika aminao velively
Fa hitia sy hanaja anao hatrany hatrany
Mandrampialako eto ambony tany

Ny taona mifanesy ho lalovan-tsika
Ny andro mafana sy irony hatsiaka
Dia hiainako re raha miaraka aminao
Fa ny foko sy fonao tsy hifandao
Ka ho anao irery ireny hafaliako
Fa ianao irery no antom-pisiako
Eny, fa ny mamy tsy hanam-pahataperana
Dia ho anao irery fa tsy mba miserana
Fa maharitra mandrakizay doria
Ny fitiavako sy ny fitiavan-dry

Ka ireo volana sy ny kintana ambony
Dia hotakariko ho anao ilay mony
Vonin-kazo manitra maha te ho tia
Dia takariko alaiko homeko an'indry
Ho anao irery ihany anefa izany
Mandrampialako eto ambon'ny tany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1774 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017