I rova manjakamiadana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rova manjakamiadana

ilay trano lapa iray
ilay avo sy mirindra
dia nodorana ho may
nirehatra ho kila

ilay trano voninahitra
ho reharehan'ny firenena
norava tsy hanitra
toa nampahonena

i rova manjaka
ilay miadana sy soa
ilay trano tena lapa
sy mendrika tokoa

nefa ankehitriny
voatsangana indray
ilay rava teo fahiny
toa tsara sy milay

io izy io andohalo
ilay vohitra iray
aza atao hoe fahavalo
fa tsidiho amin'izay
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fitiavana
807 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154