Ilay elo be tsy mipiaka (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay elo be tsy mipiaka

elo be tsy mipiaka hono
kanefa tsy maharo akory
fa vao maika toa mandoro
ilay masoandro be ao ambony

elo be tsy mipiaka ve
dia haharo akory
fa vao mandena re
ilay oram-be avy any ambony

tena marina tokoa kay
fa tena elo be tsy mipiaka
io lanitra hitanay
misy masoandro mibaliaka

tsy mipiaka marina tokoa
fa mivelatra lalan-dava
ilay elo ben'ny Ray tsitoha
indray maizina, indray mazava

tena elo sa sariny fotsiny
fa toa tsisy tangozany no tsisy sofiny
kanefa misy miteny hoe
tsy mipiaka ilay elo be
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy
649 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129