Sombin-tantara "Kamboty" (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Kamboty

Tantaram-piainana tena mampalahelo ity tantara ity.
Mpivady antsoina hoe Ramavo sy Randria no niteraka zazavavy kely mahafatifaty antsoina hoe Miora. Faly tokoa izy mivady satria nahazo zaza handimby azy rahatrizay, ka niezaka, tsy nikely soroka nitaiza an'i Miora. i Randria moa dia miasa sy mamboly no asany; manana akoho amam-borona koa izy mivady hompiany. Indray andro anefa i Randria raha iny maraina vao nifoha iny, handeha hiasa tanim-bary no nisy olona roa lahy nanaraka azy avy ato aorianany. izy moa tsy nahalala na inona na inona fa hoe olona handeha hetsena ireto olona aoriany ireto, ka tsy matahotra akory izy ary dia miada-pamindra ery. tampoka teo ary ka namoaka basy ny iray tamin'ilay roa lahy ka nanao hoe mijanona ialahy. Taitra tamin'iny i Randria ka nitsoaka nanao tari-dositra nanavotra aina, kinanjo tsy lasa alavitra akory dia voatifitra ny bala teo amin'ny lohany ary dia maty tsy tra-drano teo no eo. I Ramavo any tsy mahalala akory hoe maty ny vadiny; fa variana sy sondriana mamalifaly an'ity sombiniainy eo ampandriana. Ora vitsy taty aoriana no injao tabataba ny fokonolona no rehiny manantona ny trano. ka taitra tamin'izany izy ka nanarangarana teo ambaravarankely nijery izany; gaga izy raha vao nahita ity olona lanjainy fokonolona avy any. nanontany tena i Ramavo fa misy inona ary fa toa milanja olona avy any ambany any ireto olona ireto; amin'izay dia manitsy aty an-tranoko mihintsy. Noho ny Tonga teo antokotany ireto olona vao taitra i Ramavo nahita ity vadiny nihoson-drĂ  tanteraka tsy mihetsika intsony. mbola lanjain'ny fokonolona. torovana ary kepoka tanteraka i Ramavo ary nitomany nigogogogo tsy hay hampanginina. maty tamin'iny andro alatsinainy iny tokoa manko i Randria izay andefimandriny, izay nalevina ny alarobia ihany. i Miora kely moa mbola vao iray volana sy tapany monja dia izao nilaozandrainy izao sahady. Nandeha teny ny andro nivadika volana ary lasa ho taona ka feno roa taona i Miora kely; faly ny reniny nahalehiby azy toy izao na dia kamboty ray aza ity zanany. tsy nahalala reraka mihintsy i Ramavo miasa sy mitady ho an'ity silakin'ny ainy ity. Nandeha teny ny andro volana ary taona izay nitombo arak'izay koa i Miora, ka feno folo taona; izay efa nianatra ary efa mahay ny raharaha ny zazavavy. matsaka rano, manoko-kanina, mitoto vary ny raharaha efa vitany miora ary hainy.
Indray andro narary i Ramavo ka tsy nahetsika teo ampandriana dia ity zanany no mba nikarakara azy. hanana an'iza tokoa moa e? Ny vady efa maty ny fiainakaviana tsy miraharaha. Nahonena ny fon'i Ramavo nahita ity zanany nikarakara azy, efa reraka anefa tsy maintsy e.
Herinandro taty aoriana dia vao maika niombo ny aretin'i Ramavo ka nahatonga azy hiditra hopitaly faingana, vaky ny lohan'i Miora hoe aiza no ahita vola hitsaboana an'i Neny. Niezaka nifandray tamin'ny fianankaviany i Miora mba hindramam-bola sy nitalaho mba hanampy azy hitsaboana an-dreniny; kanefa very maina ary fotoana lany fotsiny izany. Nitady asa i Miora ary nekeny daholo izay asa mety hahazoany vola. Indrisy anefa fa tsy ampy hitsaboana an-dreniny ny karamany kely; satria efatra alina ariary ny karamany nandritra ny efatra andro, mahavatra tsy misakafo aza moa izy amin'ilay karamany kely dia kely, ary no tsitsiany tsy no bangany mihintsy ilay vola. kanefa dia mbola tsy ampy ihany ilay vola dia tsy maintsy navoaka ny hopitaly tsy fidiny ny reniny. Mba niangavy nitalaho mafy i Miora mba hitsaboana an-dreny sy hijanonany ao amin'ny hopitaly, tsy nanaiky anefa ny tao amin'ilay hopitaly be ka navela nohentiny nody ny reniny, nitomany ary nivavaka mafy i Miora, onjohonjon'izy samy irery ny nitondra an-dreniny nody tany an-tranony. Teny an-dalana hody ary; Vao tsy tonga tany an-tranony akory anefa dia maty ny reniny. Hotsa ny fony, nalemy ny fanahin'i Miora. Mangidy ka mangidy re olona e. Ary mila hamoy fo mihintsy i Miora indray indray. Toa tsy zakany izany fiainany. Toa tsy tantany hoe kamboty izy. Mafy taminy ny nahazo ny rainy sy reniny. Ny fianakaviana miatsaravelatsihy fotsiny satria vao maty i Dada izay mody midodododo mamangy sy manao ny adidiny. Maty koa Neny vao indreny ry zareo vao mody ramalala. Vao voalevina fotsiny ny reniny dia tsisy hita intsony ilay fianankaviana maro be teo. Navelany teo i Miora, tsy nisy na dia iray akory ary nijanona teo nanala ny fahanginanny sy nampionona azy. Dia i Miora samy irery sisa no namakivaky izany fiainany feno sompatra sy feno an-kaso; indray indray i Miora tsy mahazaka ity fiainany soparan'ny olona ka mitady hamonon-tena. Mafy aminy loatra ny fiainany hataon'ny olona azy ka nahatonga azy hiteny foana hoe KAMBOTY KAMBOTY
--------
Rohy:
10198 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115