Sombin-tantara "Izy mianaka mahantra" (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antsa: Dada mba handehandeha hijerijery any an-tsena any aloha aho fa maka aina tsara eto ianao; tsy ho ela any aho ka, aza matahotra ianao, ao fa hitondrako zavatra ianao rehefa miverina aho, izay a.
Rasolo dadany: Eny re anaka ô, mandehana dia aza hariva be fotsiny fa hainao ihany fa ny tany tsy milamina.
Antsa: Eny re ry dada a, izay aloha ary e
No ny tonga tany antsena ary i Antsa.
Antsa: Inona ary izao jeren'ny olona ao izao e, toa izay mandalo dia mijery sy mijanona kely mihintsy aza. Aleo hoe mba hanatonako eny.
Ka lasa Antsa nanantona no sady nanontany olona;
Antsa: Fa misy inona kay ao madama
Madama mpandalo: Io r'ise vakio ao a, misy taratasy peta-drindrina dia izay no hitako fa tsy novakiako.
Antsa: Misaotra betsaka madama a, aleo hoe vakina mmmh mmmhm, ay ve e.
Mitady olona hiasa trano hono, sady tsara karama no asa mora atao hono. Aleo ho lazaiko an'i Dada izao:
Ka lasa ary Antsa nody no falifaly ery fa hiasa aman'olona. Noho ny tonga tany an-trano ary; dia no tantarainy tamin-drainy teo vatany vao tonga izy.
Antsa: Dia izay sy izay ry Dada ilay izy a, mety ve?
Rasolo Dadany: Mety anaka fa dinio tsara ihany aloha fa aza mora taitaitra, sao dia olon-dratsy na irony mpanankarembe tsy miraharaha madinika irony ireo olona lazainao ireo.
Antsa: Olona tsotra be sy tsara fanahy be hono ireo araka ilay voalazan'ilay taratasy; ary mino aho fa tena marina izany.
Rasolo dadany: Miteny ihany aho anaka a, ny hamisavisaina ny ratsy hono no hiavian'ny soa, ka enga anie.
Antsa: Eny re ry Dada a. Rahampitso aho izany dia manomboka miasa any fa izay ilay daty voasoratra tao amin'ilay taratasy koa.
Noho tonga ny hampintso ary ka tonga tao amin'ilay trano be i Antsa ka nandondona.
Antsa: odiô, aiza olona ô. Ary tsy misy olona ary ve ato sa tsy henony, aleo ataoko mafimafy kely odiô, odiô.
Tampoka teo ary ka henon'ny tompotrano ka namaly hoe ho avy ô.
Antsa: izay kosa fa misy mamaly koa.
Taitra be i Antsa nahita any Madama Fanja avy tany.
Antsa: Manahoana tompoko ô
madama Fanja patiraony: salama ahoana ny anao izay
Antsa: nahita an'ity taratasy ity aho tompoko dia izao tonga aty izao
Madama fanja patiraony: mandrosoa ary ianao e.
No ny nandrosoa tao an-trano ary izy ka niresaka tao sy nifampafantatra tao izay tokony ataony;
Madama fanja patiraony: Dia izay sy izay ny asa ataon-dry ry...Antsa moa?
Antsa: Eny tompoko, aza matahotra madama fa hiasa tsara aho.
Herinandro taty aoriana dia mbola tsy nampiseho ny toetrany Madama fanja fa mbola navelana ho tamana tsara.
Antsa: Sambatra aho miasa ato, misakafo be matory amin'ny fandriana tsara be,
indray andro tonga i Ramose Nary vadiny madama sy Narindra sy Steve zanany avy nanao vakansy.
Ramose Nary patiraony: Fa iza io vehivavy hampanaovinao raharaha io ry Fanja.
Madama fanja patiraony: Ay moa mbola tsy nifankafatatra nareo.
Dia natsoina teo ary i Antsa nampalalana azy mianakavy kely tao an-trano.
Iray volana taty aoriana ary sendra diso tory tao i Antsa fa variana nandrandram-bola alina,
no jeren'ny madama ny efitranon'i Antsa mbola mihidy be ny afo tsy mbola velona anefa ny mpianatra mianatra miditra @7h, tezitra madama ka namoha an'i Antsa;
Madama fanja patiraony: Ô ry Antsa a, mifohaza ity tao fa tara ny zanako.
Sady no tsongoin'ny madama ny sofiny Antsa.
moa tamy avy any koa i Ramose nary ka nandraoka alika an'i Antsa.
Ramose nary patiraony: Aingana tena velomy io afo dia sasao ny lovia fa maika aho moa tara ny zanako, aingana ah.
Telo volana taty aoriana dia kitakita lava foana no niainan'i Antsa tao an-trano, ny dadany any tsy mahita ary tsy manampo na inona na inona; nefa ny zanany aty mijaly.
Indray andro ary naona i Antsa ka nangataka vola tany amin'ny Madama mba hividianany sakafo.
Antsa: Madama ô, Madama a, mba omeo vola kely any re aho mba hividianako sakafoko fa nareo ity efa tsy manome ahy ihany.
Madama fanja patiraony: Tsisy r'ty a, koa tsy atao famelomana an'ity aty koa, karama ihany no nifanarahana tamin'ity fa tsisy akoatr'izay. Mazava?
Ary ndehana ity loary ny sakafo fa noana ny zanako, ilay tava-tsoavaly ity, mahatsiravina.
Antsa: Eny tompoko.
Dia toy izay foana no niainan'i Antsa tao ka nahatonga azy hitsaoka.
Herin-taona taty aoriana mbola tsy niova fa vao maika aza nitombo ny nahazo an'i Antsa.
Nanome sakafo Madama fa efa sisany vao homeny an'i Antsa no sady miara-mininana amin'ny alika.
Tapaka ny hevitry Antsa fa hitsoaka izy.
Antsa: Aleo rangaha hitsoaka aho a,hidiko ity trano ity dia lasa aho.
Lasa i Antsa ka nivantana tany amin'ny Dadany,
Rasolo dadany: Fa ho aiza ianao anaka?
Antsa: Tsy tamana any aho ry Dada fa ratsy toetra be daholo ry zareo a.
Niresaka tao izy mianaka ary gaga tokoa ny Dadany nahita ity zanany naratra sy nahia kely.
Dia izay sy izay ry dada a;
ry Madama mianakavy ao tsy mieritreritra izay hitady an'i Antsa akory, toa zaran-dry zareo ary lasa Antsa, fa hoe manamaimbo trano fotsiny hono.
Rasolo dadany: Aleo ihany hanaka miasa tena toy izay miasa an'olona ataony tsinotsinona.
Antsa: marina izany, aza manao toa an-dry Madama
--------
Rohy:
1577 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125