Miandry ilay taona vaovao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miandry ilay taona vaovao

ora vitsivitsy monja
no andrasana dia tonga
ilay taona vaovao
ho ahy sy ho anao

efa maro ireo miandry
ilay ora sy fotoana
izay tsy tafandri-mandry
hitongavan'ilay taona

vao mipaika eo ilay ora
higadonan'ilay taona vao
dia mihoraka ny olona
hoe tratry ny taom-baovao

miandry ary isika
miandry io ora io
hafana tsy hangatsika
ny androany tadidio

sasak'alina androany
hiandrasana ilay taona
mifalia aza tomany
fa samy faly tafahoana
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
1016 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154