Nahasarika ahy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahasarika ahy

nanintona ahy avy hatrany
ireto masonao manjohy
te hibanjina any ho any
ny masontsika nifanjohy

nahasarika ahy mantsy
ilay fietsikao miangola
toa nidona tao anaty
ny foko avy dia vodoana

raha nitopy taminao
ireto masoko an-kiroa
te hibanjina foana aho
ilay tsy manam-paharoa

tsy te hivily sy hierika mihintsy
fa babo avy hatrany
raha vao iny ianao nitsiky
toa raraka aho, te hanontany

nahasarika ahy avokoa
izay rehetra eny aminao
ka nahatonga ahy hitempo fo
fa nahasarika ahy ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1178 7
Hevitra mandeha
tononkalokanto2017 ( 19/12/2017 21:55)
Tsara r'ise a,tohizo fa tsara e
nalsonrazakariasa2015 ( 01/01/2018 08:06)
Mankasitraka r'ise
misaotra eh
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162