Naleoko (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Naleoko

raha nampoiziko ho fijaliana
dia naleoko mihintsy aloha nangina
tsy nizara ny tato am-poko
mba tsy ho sendran'ny toloko

raha nampoiziko ho fery
no niarahako taminao
dia naleoko aloha irery
tsy nahalala anao

raha nampoiziko ho ratra
no niafaran'ilay fitia
dia naleoko tsy nizara
naleoko tsy nitia

raha nampoiziko ho takaitra
no navelanao ho ahy
dia naleoko aloha tsy taitra
naleoko koa tsy sahy

raha nampoiziko ho irery
fa hilaozanao aho ry tiako
dia naleoko ihany tsy nijery
naleoko nikipiko

raha nampoiziko ho ankaso
nandrotsa-dranomaso
dia naleoko tamin'izao
tsy nifankafatantra taminao

raha nampoiziko ho tokana
dia naleoko indray navotana
sao mba lasa any ho any
ka vadiko ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
710 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113