Noho ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noho ianao

matoa aho tokam-po
noho ianao tokoa
izay laniko ho tontolo
ny fitiavanao manontolo

matoa aho nanaja
noho ianao ilay sahaza
ilay mendrika ho tiavina
tsy mendrika ho lavina

matoa aho nitia
noho ianao ihany satria
nibosesika tao anaty
ilay fitia te iara-maty

matoa aho sambatra
noho ianao ilay niavaka
nahafeno ny rehetra
sy naharaka fepetra

matoa aho zina
noho ianao ilay nangina
tsy niteny ianao satria
ianao koa dia tia

matoa aho mahatsiaro
noho ianao tsy mifangaro
tokana iray monja
sy fitia tena mafonja

matoa aho manina
noho ianao ilay alina
mampievina aho foana
izay manina te hiaona
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
996 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116