Ny hitia anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hitia anao

Ny hitia anao ihany
No nisiako teto an-tany
Ka raha hifarana androany
Dia aleo aho handeha izany
Handao ity tany be an-kaso
Feno alahelo sy ranomaso
Fa efa vita izay nilaina ahy
Ka aleo handeha aho raha tsy mampanahy
Raha toa ka hoe tapitra
Ity tantara tsy tratra antitra
Tsy tody ilay mandrakizay
Hanotorotoro ny fo sy fanahy
Fa tsy hitia intsony ny foko
Fa ho levona sy hitoloko

Raha hoe vita ny adidiko
Hitia anao ilay safidiko
Aoka angamba mba tsy ho neniko
Ny hamarako ny teniko
Hoe vita ve fa maika aho
Sa mbola tia ahy ianao
Miankina amin'ireo ihany sisa
Ny handosirako ny paradisa
Naniraka ahy ho eto an-tany
Dia nitia anao irery ihany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1019 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016