Ny tsikinao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Tsikinao

Sendra aho nitodika, Nahita anao nitsiky
Teo am-baravaran-kely, Tsy nahita ahy velively
Fa namikiviky, Toa miendrika anjely
Ka variana aho sondriana, Mibanjina mangina
Ireo nifinao mirindra, Toa tsiky tsara indrindra
Toa hafa tsy afindra, Tsy ahitana any an-kafa
Fa mahalalim-paka, Ity foko kely adala
Te hiantso ho malala, Te handinika tsy hiala

Nampian'ilay volonao lava, Nanarona ny tava
Nameno ny endrikao, Ireo tsikitsikinao
Angamba tsy niniana, Fananiana hatao
Fa tena mahavariana, Ahy ilay tsikinao
Malefaka firafitra, Ravahan'ireo bikanao
Hany ka mahafinaritra, Ny mahita foana anao
Indrindra ianao mitsiky, Mampiseho ireo nify
Tsara rindra tsara lamina, Tena meva ianao marina

Tiako hantorakao aty amiko, Foana iny tsikinao iny
Fa tiako sady mamiko, Mba tiako ho takariko
Ho fiainako ho doria, Ny tsikitsikinao
Tsy lavitra ahy intsony, Fa efa fiainako ianao
Amin'ny androko rehetra, Dia ny tsikinao hitoetra
Ary handravaka ny tontolo, Sy irony fahasambarana
Ho tena fiadanana, Ho mamiko ihany
Ny tsikinao no hibahana, Raha mbola eto an-tany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1714 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116